Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy |
Mpivady kely nifankatia sy nifanaja fatratra i Mahefa sy i Koloina. Samy mbola tanora dia tanora izy roakely.
I Mahefa dia tovolahy, zarazara fihodirana, lava ranjanana ary tsy be teny izany. I Koloina kosa
dia tovovavy fohifohy, mahafatifaty ary raha jerena tampoka dia toa mpianadahy izy sy i Mahefa fa
misy itovizana betsaka tokoa. Efa niteraka vavikely izy roa ary roa taona izao i Sariaka kely zanak’izy roa.
Nifankatia aok’izany izy mivady ary na dia tsotsotra fiaina aza izy mianakavy kely dia tsapa fa hipoka
hafaliana ny tokantranon’izy ireo. Tsy afenina fa indraindray dia misedra olana ara-bola izy mianakavy kely.
Matetika mantsy no mila tsy hahatody ny faran’ny volana ny karaman’i Mahefa nefa i Koloina tsy miasa fa
mikarakara tokantrano. Ny karama mantsy zara fa misondrotra indray mandeha isan-taona, ny fandaniana nefa miha-mitombo
indrindra fa taorian’ny nahazoan’izy roa an’i Sariaka kely. Soa ihany fa vehivavy hendry i Koloina.
Na dia tsy ampy an’izy telo mianaka aza ny karaman’i Mahefa vadiny dia hainy ny mitantana izany. Raha atao
bango tokana dia sambatra ny tokatranon’izy ireo, ary tsapa tokoa fa tsy noho ny vola fa noho ny fitiavana madio
no fototr’izany fahasambarana izany. Dia nisosa mora teny ny lakan-kelim-piainan’izy telo mianaka.
Saingy indrisy, sendra rivo-mahery nisafotofoto izany ka saika nanafotra azy ireo. Indray alina mangina, efa
tapi-mandry avokoa ny mpifanolo-bodi-rindrina ary efa nangina tanteraka ny tontolo. Taitra i Koloina fa nikohokohoka ny
zazakely, narehiny ny jiro, notsapainy ny zaza ary akory ny hatairany raha nahatsapa fa niakatra ambony dia ambony ny
hafanan’ny zaza. Taitra izy, nikoropaka, nofohaziny i Mahefa ary dia niara-nipenimpenina teo izy mivady.
Hany hery nomena fanafody. Tsy nopoizin-tory izy mivady iny alina fa nitaintaina be ihany,
nivavaka mafy tamin’Andriamanitra mba hahasitranan’ity menaky ny aina.
Nony maraina, na dia teo aza ny harerahana, dia voatery tsy maintsy handeha hiasa i Mahefa. Nony
tonga tamin’ny 11 ora atoandro, tany am-piasana, niantso azy i Koloina vadiny fa any amin’ny
hopitaly izao izy mianaka. Tahaka ny tadio ny fialan’ny Mahefa tao am-piasana namonjy teny amin’ny
hopitaly. Nony tonga tao amin’ny hopitaly izy dia i Koloina nivaloarika nitalapetraka eo an-tongom-pandrian-janany
no novantaniny. I Sariaka kely amin’io matory eo am-pandriana ary misy sérum ny tenany. « Fa naninona ?
» hoy i Mahefa « Vao lasa niasa kelikely ianao dia taitra i Sariaka, avy eo nikohokohoka izy ary toa
sempotsempotra mihitsy aza, izy amin’io mafana be sady malemilemy tsy mahateny. Nankany amin’ny dokotera
avy hatrany izahay mianaka ary ny tany no nandefa anay taty. Nony tonga taty izahay dia notazomin’ny tato
amin’ny hopitaly avy hatrany» hoy i Koloina, nangasihasy « Manao ahoana nefa izy izao ? »
hoy i Mahefa « Mbola reraka be izy sady tsy mety minono, tsy mety mihinan-kanina dia io nasiana sérum
io » hoy i Koloina, nanganohano « Aza matahotra fa tsy manary antsika Andriamanitra » hoy i
Mahefa niezaka nampahery am-badiny nefa izy koa aza ity toa nivalaketraka anaty ihany. Mafy tokoa izany rehefa ny
sombin’ny aina no marary hoy izy anakam-po.
Herinandro izay no teny amin’ny hopitaly i Sariaka kely.
Aok’izany ny fahasahiranan’izy mivady kely. Ny fitototoana sy ny adin-tsaina etsy andaniny manampy
trotraka ihany koa ny vola mivoaka tahaka ny rano. Efa miha-ritra ankehitriny ny vola eo am-pela-tanan’izy mivady,
efa naka avance tany am-piasana aza moa i Mahefa saingy tsy nahavita inona akory izany. Ny fianakaviana
akaiky efa samy nanao izay hafany tamin’ny fandraisana anjara ihany saingy tsy nahafa-piry. Samy
manana izay manahirana azy any an-tokantranony avy any koa moa ka tsy hifanomezan-tsiny. Niha-nahia i Koloina,
tsy nanam-potoana firy hikarakarana am-badiny intsony izy nefa na izany aza dia tsy niova ny
fifankatiavan’izy roa ary na dia mafy aza ny fitsapana dia vao miha-natoky an’Andriamanitra
izy mivady. Ny zaza efa hita ho misy fihatsarana ihany saingy mbola mila fanaraha-maso akaiky ny toe-pahasalamany.
Indray alarobia hariva, nasain’ny dokotera nividy fanafody maromaro ihany
i Mahefa. Ny vola teny an-tanany nefa tamin’io efa iray alina ariary sisa.
Am-pinoana fotsiny no nandehanany sy nilaharany teo amin’ny fivarotam-panafody.
Indrisy fa raha fanafody dimy boaty no tokony novidiana dia iray boaty ihany no azo satria
izay ihany no takatry ny vola, vola 200 ariary sisa no famerin’ilay teo. Lasa nipetraka
naka saina teo ambony seza vato teo akaiky teo i Mahefa ary niondrika nivavaka izy. Raha mbola
nivavaka iny izy no nisy olona nikitika sy niarahaba azy « Manao ahoana r’ise a !
Ela izy izany an !» hoy ilay olona « Manao ahoana » hoy i Mahefa toa olona mbola
tsy vory saina « Variana be ise izany a ! Tsy tadidin’ise ve aho e ? Ra-Jim ihany ity e »
Hoy i Jimmy falifaly « Hay ve ra-Jim e ! » Hoy i Mahefa nanomboka nahafantatra azy.
Mpiara-mianatra nanomboka tamin’ny kilasy ambany ka hatrany amin’ny lisea izy mirahalahy.
Mpinamana tsy nifankafoy, nifampizara ny manta sy ny masaka. Nifampitondra tahaka ny mpirahalahy tokoa izy ireo, saingy nony afaka
bakalorea dia lasa nandeha nianatra tany am-pitan-dranomasina i Jimmy ka toa zary tapaka teo ny fifandraisana.
Tamin’izany koa moa tsy nisy an’itony fitaovam-pifandraisana toa ny fesiboky itony, taona maro lasa
izay. « Ka inona ny vaovao izay ela izay r’ise a ? » hoy i Jimmy « Tsy misy fa izao e ! Oavina
ise no tonga teto an-tanindrazana ? » Hoy i Mahefa « Herintaona izay. Niezaka nitady an’ise teny
Andranonahoatra ihany aho saingy efa nifindra trano hono ianareo » hoy i Jimmy « Efa tsy any intsony izahay
ka. I dada sy i neny lasa nody any ambanivohitra. Izaho kosa efa manambady aman-janaka » hoy i Mahefa «
Arahabaina izany ise ! Ary maninona eto aloha ise e ? Misy tsy salama angaha ? » Hoy i Jimmy « Ny zanako
vavitokana r’ise no marary ato a ! » Hoy i Mahefa niondrikondrika « Izany ve ? Dia ahoana ? Ka inona
no azoko atao hanampiana an’ise » hoy i Jimmy, vonombonona « Ka sao dia maika aloha ise e ? »
hoy i Mahefa, nahalala fomba « Namangy ny zanaky ny cousine-ko tsy salama ihany koa no anton-diako taty. Lalan’ny
hody aho izao no nahita an’ise izao. » Hoy i Jimmy.
Dia nanomboka nitantara ny zava-nitranga sy ny olany teo
i Mahefa. Tsy tapitra akory ny fitantaràny dia notapahan’i Jimmy ny teniny « Ka izao, namako ise, solon-drahalahiko,
ny zanak’ise dia zanako. Ka vonona ny hanampy an’ise aho f’aza kivy ohatran’io. Aiza izany lisitry ny fanafody
izany fa hovidiantsika » hoy i Jimmy, nitsangana sady navitribitrika. Niondrika nisaotra an’Andriamanitra i Mahefa ary
niaiky tongotra aman-tànana izy fa mihaino sy mamaly vavaka tokoa izao Andriamanitra izao. Dia niara-nizotra izy roalahy,
moa va tsy toa ireny mpirahalahy ireny ny fijery azy ireo ? « Ny sakaiza tsara tokoa manoatra ny rahalahy »
Dia
nandeha teny ny ora sy ny fotoana, nivoaka ny hopitaly soa aman-tsara ny zazakely.
Raha tsy teo tokoa i Jimmy na i Ra-Jim dia asa izay nanjo an’izy telo mianaka. I Jimmy no
niantoka ny fandaniana rehetra teny amin’ny hopitaly nanomboka tamin’io fotoana nihaonan-drizareo io.
Nanomboka teo dia lasa mpanamana tsy nifankafoy toy ny fahiny izy ireo ary niverina indray ny fisakaizana sy ny firahalahiana
fahiny. Matetika no entin’i Ra-Jim mitsangatsangana amin’ny fiara izy telo mianaka. Ary in-telo isan-kerinandro
fara-fahakeliny dia mandalo misakafo hariva ao amin-dry Mahefa telo mianaka i Ra-Jim. Taty aoriana kely dia nampidirin’i
Ra-Jim hiasa ao amin’ny orinasa natsangan’izy sy ny rahalahiny monina any ivelany i Mahefa. Tsara tokoa ny karama
sady betsaka ny tombo-tsoa. Comptable no asa nampiandraiketina an’i Mahefa. Izany rahateo koa moa no fianarana
norantovin’i Mahefa teny amin’ny Anjerimanontolo. Efa enim-bolana izao i Mahefa no niasa tao amin’io
orinasa io. Nandeha tsy nisy olana tokoa ny asa, ary ho azy any am-piasana dia lehibeny i Jimmy, rehefa any ivelan’ny
orinasa kosa dia namana sy sakaiza i Ra-Jim.
Indray asabotsy maraina raha mbola nilalao an-janany tao an-trano iny Mahefa no sendra ny tsy nampoizina. Nisy polisy telo lahy tonga nitady azy tao an-trano. Tsy nisy hatak’andro fa tonga dia nomen’izy ireo baiko ny hanaraka azy ireo any amin’ny birao i Mahefa. Ny polisy iray nampiseho ny taratasy izay manambara fa manana alàlana hitondra an’i Mahefa izy ireo, ny polisy anankiroa kosa nibeda an’i Mahefa teo amin’ny sandriny. (MBOLA HITOHY)
Nalaina teo amin'ny rindrin'i Tantara Indray Miseho.
Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.