Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy

Mamelà ny helokay II

Mafy ny fahorian’izy telo mianaka, tsy fantatr’izy ireo izay zava-nitranga marina. Tonga nitangorona nijery ny zava-misy ny manodidina, ny henatr’olona sy ny tondro-molotry ny manodidina amin’io manginy fotsiny. Ny tomany sy ny kiakiakan’i Sariaka zanak’izy ireo manampy trotraka. Hany herin’i Mahefa nanaraka am-bokony ireto polisy ary i Koloina kosa niezaka nampitony an’ity sombin’ny ainy tsy laitra nampangininy. Rehefa avy nifampiresaka fohy izy mivady dia tapaka fa haterina eny amin’ny bebe sy dadabe aloha i Sariaka kely avy eo handeha hamonjy eny amin’ny birao nitondrana an’i Mahefa vadiny i Koloina

  Rehefa nandroso ny raharaha dia fantatra fa resaka halatra no antony nisamborana an’i Mahefa. Voalaza fa nisy vola betsaka very tao am-piasana, betsaka hono ireo vola nivoaka nefa tsy nisy facture na fanazavana mari-pototra. Amin’ny maha-comptable an’i Mahefa dia izy no voatazona voalohany tamin’izany raharaha izany. Rehefa natao ny fanadihadiana dia toa nifototra tany aminy avokoa ny porofo rehetra izay toa mandetika azy hatrany hatrany. Kivy sy ketra tanteraka i Mahefa izay niziriziry fa tsy nangalatra na nanodinkodina vola tao am-piasana na dia ariary aza. Soa ihany fa vehivavy hendry i Koloina vady andefimandriny ka tsy mba nandao azy na namela azy ho irery tao anatin’izao olana izao. Niziriziry i Koloina fa olo-marina, matahotra an’Andriamanitra i Mahefa vadiny ka sanatria aminy ny hangalatra. Fisaka nefa ny marina fa saro-tadiavina. Nandeha haingana dia haingana ihany koa ny toe-draharaha ka andro vitsy monja taorian’io fisamborana io dia niakatra fitsarana i Mahefa. Rehefa nivoaka ny didim-pitsarana dia voaheloka higadra mandritry ny 13 volana izy, sazy mihatra. I Jimmy mpampiasa sady sakaiza matoky tamin’io tsy teto an-toerana fa namita iraka tany ivelan’ny Madagasikara. Niezaka ny nifandray taminy ihany i Koloina saingy nilaza izy fa fa tsy afaka ny hanao na inona na inona satria efa ny fitsarana mihitsy no namoaka ny didy ary tsy maintsy faizina ny mpanao ratsy. Na izy aza kivy sy diso fanantenana tamin’izao nafitsok’i Mahefa izao satria natoky azy tanteraka hono izy. Na izany aza, nanome toky i Jimmy fa na dia teo aza izao fivadiam-pitokisana nataon’i Mahefa azy izao dia tsy hanary azy telo mianaka izy na inon-kidona na inon-kitranga ary hiezaka ny hiverina any Madagasikara farak’izay haingana hijery ny zava-misy.

  Nidoboka tany am-ponja i Mahefa. Heloka tsy nataony no nanamelohana azy. Marary ny fony, malahelo ny vady aman-janany izy, te-hitroatra izy nefa tsy afaka. Hany heriny, nivavaka tamin’Andriamanitra satria fantany fa hitan’Andriamanitra izy na dia ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoka izao aza. Nitamberina tao an-tsainy ny nanjo an’i Jesosy izay tsy nanota sy tsy nanao na inona na inona nefa niharitra fahoriana teo ambony hazo fijaliana.
Mangidy sy mafaitra kosa ny fahorian’i Koloina mianaka. Mila tsy ho zakany ny mieritreritra fa tsy hody ao an-trano intsony manditry ny 13 volana i Mahefa, vady, ray sady lohan’ny fianakaviana. Isan’andro vaky izao dia kotsan-dranomaso ihany ny ondan’i Koloina. I Sariaka kely kosa vokatry ny alahelony an-drainy dia nandraiki-nanavy isan-kariva. Rehefa nivory ny fianakaviana dia tapaka fa halefa eny amin’ny dadabe sy bebeany aloha i Sariaka mba ho very dia sady misy ankizy afaka miara-milalao aminy eny. Ary tapak’hevitra ihany koa ny mpianakavy fa hanaràma mpisolo vava mahay ka hampiakatra ny raharaha eny amin’ny ambaratonga ambony. Voatery namidy ny tanimbary lovan’izy mianadahy avy hanavotana an’i Mahefa. I Koloina rahateo nieritreritra ny hitady asa satria ny hofan-trano tsy maintsy haloa, izy mantsy izao no tsy maintsy hiantsoroka ireo fandaniana rehetra ao an-tokantrano. Efa tonga soa aman-tsara eto an-tanindrazana izao i JImmy. Vao nigadona teo Ivato izy dia tsy nody tany an-trano akory fa avy hatrany dia lasa namangy tany an-tranon’i Mahefa.
Rehefa avy nifanatsafa teo izy sy i Koloina dia niditra tamin’ny votoatin-dresaka « Miala tsiny aho fa tsy afaka ny hanao na inona na inona ho an’i Mahefa. Resaka asa mantsy ilay izy ka sarotra be » hoy i Jimmy « Tsy misy hialanao tsiny amin’izany. Avelao ny fitsarana hanao ny asany. Izaho koa matoky an’Andriamanitra fa tsy maintsy ho hita ny marina na ho ela na ho haingana » hoy i Koloina, nankahery tena « Na izany aza dia manome toky anao aho fa tsy hitsahatra ny hikarakara anareo mianaka. Raha misy ilainareo dia aza misalasala fa vonona aho. Ary hiezaka hijery izay azoko atao hanafohezana ny fotoana hijanonan’i Mahefa any am-ponja aho » hoy i Jimmy nibanjina an’i Koloina « Misaotra betsaka tsy manary anay amin’ny andro sarotra. Tena sakaiza tokoa ianao ! » Hoy i Koloina. « Ireto misy zavatra nentiko ho anareo. » Hoy i Jimmy sady nanolotra harona feno fanomezana nentiny avy any am-pita ho an’i Koloina izy.

  Efa ho roa volana izao no naha-tany am-ponja an’i Mahefa. Na dia mafy aza ny fahoriany dia tsy maintsy nitraka izy ary natoky fa Andriamanitra ilay mpitsara marina no tompon’ny teny farany amin’izao raharaha izao. I Sariaka kely moa dia tamàna teny amin’ny dadabeany sy bebeany ka ny reniny indray no tonga mamangy azy eny indraindray.

  Indray asabotsy harivariva, tonga namangy an’i Koloina teny an-tranony i Jimmy. Nitondra fanomezana maro ho an’i Koloina izy : sakafo, fitafiana, ranomanitra, kiraro… « Andao hisakafo any amin’ny restaurant isika » hoy i Jimmy mantsy an’i Koloina « Misaotra betsaka fa tsy dia mazoto loatra aho » hoy i Koloina. Ho sarotra aminy tokoa mantsy ny handeha hifaly sy hisakafo any amin’ny restaurant kanefa ny vadiny malalany migadra any am-ponja noho ny heloka tsy nataony « Mila mba mivoaka maka rivotra kely ianao. Sady misy resaka goavana tiako hatao aminao ihany koa » hoy i Jimmy niezaka nandresy lahatra. Noho ny hena-maso dia nanaiky tsy sazoka ny handeha i Koloina. Toerana raitra, lafo vidy no nitondran’i Jimmy azy. Sadaikatra be ihany i Koloina satria sambany izy vao tany amin’ny toerana ohatran’izao. Latabatra tsara voatra, efa voafandrika mialoha no nipetrahan’izy ireo. Nony elalela dia nanomboka nampidi-dresaka i Jimmy « Koloina a ! Efa ela izao resaka izao no nibahana tato am-poko. Efa ela aho no te-hamosaka aminao izany saingy androany no fotoana tsara indrindra hilazako azy aminao » hoy i Jimmy « Fa resaka inona nefa izany e ? » hoy i Koloina kaodikaody « Koloina a ! Tovovavy tsara tarehy ianao, maotina sady hendry ka tsy mendrika ny hiaritra izao fijaliana izao. Koloina a ! Fantaro fa ny andro voalohany nahitako anao teny amin’ny hopitaly dia efa nitempo fitiavana ho anao ny foko. Tadidiko hatramin’ny fitafiana nanaovanao tamin’iny hariva iny. Nanomboka tamin’iny fotoana voalohany nahitako anao iny dia voarakitra tato am-poko ny endrikao ka tsy voakosoka intsony. Vao miha-nanamafy izany ny fahafantarako anao. Ny fijerinao, ny tsikinao, ny toetranao dia nambabo ahy manontolo. Babonao tanteraka aho ry Koloina. Nanamelo-tena nefa aho satria vadin’i Mahefa sakaizako, solon-drahalahiko ianao. Saingy mahery ahery loatra nefa ny fitia, resin’ny foko ny saiko ka dia tsy nitsahatra ny nitempo fitiavana ho anao aho. Tia anao aho ry Koloina ary maniry ny hiara-dàlana aminao sy hanorina fiainam-baovao miaraka aminao » hoy i Jimmy namarana ny teniny « Andray ry Jimmy ! Tsy nampoiziko izany resakao izany ! Ralahahim-badiko no nandraisako anao hatrizay. » Hoy i Koloina nisafoaka « Azoko tsara ny tianao ambara saingy fantaro fa tsy fanahy iniako anie ny nitia anao e ! Vonona ny hampiadana anareo mianaka aho ary vonona hanolotra fianam-baovao ho anareo raha ekenao. Ary raha manaiky ianao dia mianiana aminao aho fa hivoaka tsy ho ela any am-ponja i Mahefa » hoy i Jimmy nandray ny tànan’i Koloina « Sanatria amiko ny hanao izany ! Vadiko i Mahefa, ary na any am-ponja izy na any am-pasana dia tsy hiaraka aminao na oaviana na oaviana aho. Mba matahora an’Andriamanitra Jimmy a ! » Hoy i Koloina sady lasa nandeha izy. « Koloina a ! Koloina ! » Hoy ny antsoantson’i Jimmy saingy efa lasa nidify i Koloina…

  Nanomboka iny andro iny dia nifindra nonina tany amin’i rafozany i Koloina, izany dia mba hisorohana ny famangian’i Jimmy azy irery ao an-trano. Nisisika niantso an-telefaonina hatrany i Jimmy saingy tsy nampiova ny hevitr’i Koloina izany. Sakaiza manody, tsy mena-mivadika tokoa raha i Jimmy. Niroso hatrany hatrany kosa ny raharaha mikasika an’i Mahefa. Rehefa nampakatra fitsarana ny fianakaviana dia voaporofo fa tsy meloka i Mahefa ka dia nivoaka ny fitsarana soa aman-tsara. Ho azy mivady dia tena asan’Andriamanitra izao ka vao niha-natoky an’Andriamanitra izy ireo. I Jimmy kosa dia tsy mba henoheno intsony, tao ny resaka mandeha fa lasa any am-pitan-dranomasina izy. Notantarain’i Koloina an’i Mahefa ihany ny zava-nitranga rehetra nataon’i Jimmy. Faly i Mahefa fa vehivavy hendry sy matahotra an’Andriamanitra ny vadiny ka tsy vosariky vola aman-karena fa nahatohitra fakam-panahy. Dia nizotra teny ny fiainana, indray hariva raha handeha hody iny i Mahefa no tojo an’i Irène. I Irène dia mpitan-tsoratr’i Jimmy izany hoe mpiara-miasa taminy taloha. « Inona ny vaovao ? » hoy i Irène « Tsy misy fa izao tafavoakan’ny fonja soa aman-tsara izao. Mbola tsy mahita asa aho izao fa mbola eo am-pitadiavana. » Hoy i Mahefa « Tsara izany fa saika nilentika tany am-ponja noho ny endrikendriky ny hafa fotsiny ianao. » Hoy i Irène « Manao ahoana ingahy tale any ? » Hoy i Mahefa « Angaha tsy henonao ny vaovao ? Marary mafy eny amin’ny hopitaly efa roa herinandro ange ingahy tale e ! » Hoy Irène. Taitra mafy i Mahefa raha nahare izany. Rehefa avy nanadihady an’i Irène mikasika ny toeram-pitsaboana misy an’i Jimmy teo izy dia nisaraka izy dahy. Tsy niandry ela fa ny ampitso ihany dia tonga teny amin’ny hopitaly namangy an’i Jimmy i Mahefa. Tena voa mafy tokoa i Jimmy raha ny fijery azy. Ontsa ny fon’i Mahefa nahita ity sakaizany reraka dia reraka sady nalemy dia nalemy teo am-pandriana.

  Gaga i Jimmy fa mbola i Mahefa sy Koloina vadiny ihany no nitotototo teny amin’ny hopitaly nikarakara sy namangy azy. Ary ny tena tsy adinon’i Jimmy dia ny vavaka ataon’izy mivady isaky ny hiala eny amin’ny hopitaly. Menatra sy nanongo tena mihitsy i Jimmy satria na teo aza ny adalana nataony dia tsy nampiova ny fitiavan’i Mahefa sy i Koloina azy izany.
Indray maraina, efa hita ho tena salama sy natanjaka izy ary efa kasain’i dokotera halefa hody amin’izay. i Mahefa no niandry azy teny amin’ny hopitaly tamin’io. Mipetraka eo an-tongo-pandriana i Mahefa « Mahefa a ! Misy resaka ataoko amin’ise » hoy i Jimmy « Resaka inona ? Alefaso e ! » Hoy i Mahefa tsy taitra « Ka izao, matahotra aho sao ho tezitra amiko ise » hoy i Jimmy, nisalasala « Fa nahoana moa aho no ho tezitra ? Efa tsara fototra ny fisakaizantsika ka tsy hisy handrava izany intsony » hoy i Mahefa « Mahefa a ! Mifona amin’ise aho, mangata-pamelàna fa izaho anie no niketrika sy nanao izay fomba rehetra handetehana an’ise tany am-ponja e ! » Hoy i Mahefa « Inona tsara hoe ? » Hoy i Mahefa tafatsangana « Mifona aho r’ise a ! Nentin’ny hadalako aho ary nihevitra fa rehefa tsy eo intsony ise dia hitia ahy sy hanaiky ny hiaraka amiko i Koloina. Dia zavatra noforoniko daholo ireny taratasy nanaporofo fa nisy vola very tao am-piasana ireny ary i Filipo mpiara-miasa tamin’ise no niray tsikombakomba tamiko. Mifona aho r’ise a ! Milela-paladia re ! » Tsy nahateny i Mahefa, tsy nahetsika fa novandravandrainy i Jimmy. Te-hitroatra mafy izy, fa mafy loatra izao nataony sakaizany azy izao. Navonkony ny totohondriny, nihenjana avokoa ny làlan-drà teo amin’ny sandriny, tsy mbola tezitra ohatran’izao i Mahefa hatrizay niainany. Tsy te-hikasi-tànana an’ity sakaizany nefa izy ka lasa nivoaka tany an-tokontany. Ny varavarana no nakaratony faran’izay mafy. I Jimmy kosa nitaintaina fatratra, inona no hitranga aorian’ny nahafantaran’i Mahefa ny marina rehetra ? Mbola hivitrana ve ny fihavanana sa ho tapaka tarangana hatreo ? Afaka adiny roa, niverina tao an’efitra nisy ny marary i Mahefa. Nohararaotin’i Jimmy izany ka dia nandray fitenenana avy hatrany izy« Mahefa a ! Fantatro fa tezitra loatra amiko ise ! Fantatro fa tsy te-hahita ahy intsony ise » hoy izy nipitrapitra nampalahelo. Nisento tokana i Mahefa ary niteny « Mafy amiko loatra ny nataon’ise ahy. Natoky an’ise aho, nandray an’ise toy ny rahalahy. Kinanjo hay ise nikasa ny hamotika ny fiainako sy hanimba ny tokantranoko. Tsy misy mafy toa ny hoe nivadihan’ny sakaiza izany. Isaorako Andriamanitra fa noho Izy dia tsy tanteraka ny fikasan-dratsin’ise. Tezitra aho, te-hamaly faty saingy soa ihany fa nampianarin’Andriamanitra ny hamela heloka aho. Sarotra izany saingy Izy no manome hery ahy mba hamelàko ny helok’ise. Izaho koa mantsy dia ratsy, mpanota, nefa navelan’Andriamanitra heloka. Koa nahoana moa aho ankehitriny no tsy hamela ny helok’ise ? ». Tsy nampozin’i Jimmy izany tenin’i Mahefa izany, « Misaotra betsaka » hoy izy sady nijohy, nipatrapatraka ny ranomasony.
Nandeha teny ny ora sy ny fotoana, sitrana soa aman-tsara i Jimmy ary lasa niverina nipetraka tany am-pitan-dranomasina izy. Ankehitriny, tsapany fa lehibe loatra ny fitiavan’Andriamanitra azy ka nekeny ny nanolotra ny fiainany manontolo ho an’Andriamanitra.

  I Mahefa kosa izao no voatendry ho lehiben’ny orinasa naorin’i Jimmy sy ny rahalahiny. Nankinin’i Jimmy taminy ny fitantanana ny orinasa ary ankehitriny sady miasa izy no mianatra. Niantohan’i Jimmy ihany koa mantsy ny fianarana ataon’i Mahefa « par correspondance » aminà sekoly iray any ivelan’ny Madagasikara.

  Sambatra izy telo mianaka ankehitriny, efa ho efatra atsy ho atsy satria mitoe-jaza i Koloina. Sambatra tokoa ny olona tia sy matoky an’Andriamanitra ary ny famelan-keloka dia zava-dehibe tokoa eo amin’ny fiainana.

Nalaina teo amin'ny rindrin'i Tantara Indray Miseho.

Ahoana no hatao raha hividy iboky ?

Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.

Tora-pon'ny Mpanoratra

“Mba tena faniriako ny hamelona indray ao am-pon'ny Malagasy tsirairay ny fitiavana mamaky boky malagasy. Maro ireo sangan'asa fahiny sy ankehitriny no tena avo lenta ary tsy mena-mitaha. Ankasitrahana ny fisian'ny iBoky Malagasy hamelona indray izany fitiavana izany eo amin'ny Malagasy manerantany.“

- Tsaratiana -
2022-07-23 11:51:43

“Ny iBoky Malagasy dia sehatra iray afaka manampy ny mponina sy ny firenena malagasy amin'ny fampiroboroboana ny tenim-pirenena. Tombony lehibe ho azy ny fahafahany mampiseho amin'ny sehatra iray ireo karazam-boky malagasy maro misy. “

- Andrianitsiahy -
2022-07-23 07:32:31

Ohabolana sy Hainteny

Aza mandraraka ilo mby an-doha

Ny teny ilo dia avy amin’ny diloilo na menaka, izany hoe diloilo tonga eo amin’ny loha. Ny diloilo dia sokajiana...

Mitsikitsikia

“ Indray andro hono ……
Sendra tafaporitsaka tao anaty hady ity akoholahy anankiray nitady hanina. Indro tsy nampoizina nipoitra avy any anaty tsiloraketaka avy ny Rakary (sakadia) efa noana mafy tokoa tsy nahita izay arapaka nandritra ny andro maromaro. Tsy hitan’ity...”