Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy |
Indraindray ianao solafaka raha tojo ny malama
Tsy fotsiny hoe lavo f'io namela ratra
Takaitra iray tavela am-po tsy mba voafafa
Handindona eny foana toa tsy hanam-piafarana
Niady ianao niady fa nandalo faharesena
Izay kinasa ho vita indrisy tsy tanteraka
Torotoro fo dia kivy sy ketraka
Sahy miantso tody sy manozona ny tena
Namakivaky sedra nanjohy ireo ala kitroka
Nanivatsiva tsilo ny ati-fo,fanahy
Nilavo anaty ady ny saina sahisahy
Tsy afa-namindra fa jambena sady ditsoka
Nandalo fahoriana,namoy ireo olona lalaina
Nibaby ranomaso t'anatin'ny hakiviana
Nanolotra ny tena ho niangaram-pifaliana
Dia nanome tsiny ilay nanolotra ny aina
F'ity tsarovy foana na ho inona fisiana
Na lala-mihosi-potaka na karazan'ady mafy
F'ireny rehetra ireny dia apinga sady vatsy
Lalan'ny mpandresy izay nilanja fahoriana
Dia sikino ny herin-tsaina bahano fahombiazana
Ny hilavo anaty ady ataovy fadin-drazana
N'iza handia tany tsy maintsy hoe maratra
Mpandresy foana hatrany fa mila anao mitraka
Dia mila anao mivavaka
Nosoratan'i Rina Mikalo
Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.