Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy |
Aza anontaniana izay anton'izao
Fahanginako lalina ary feno tomany!
Aza anontaniana satria fantatrao
Fa fahatsiarovana no anton'izany.
Tsaroako ny tsikin'ny androko omaly,
Izay manjary aloka foana indrisy!
Tsaroako!...Antsoiko fa tsy mba mamaly,
Ary toa manadino,ary toa tsy mba nisy.
Ô! inona indrindra no karazan-tany
Nitsangananao re,ry androko lasa,
Ry androko lasa miampita any ho any,
Nitondra any ho any zava-boakasa.
Fasika amoron'ny rano malaky,
Mikoa amin'ny onja sy alona ve?
Sa vato malemy sy mora vinakin'
Ny eri-mifafy mangina tsy re?
Ny vovoka sisa tavela aminao,
Vovoka mandry na vovoka miely,
Vovo-manerana ity fiainako vao,
Vovoka ingain'ny rivotra kely.
Hifafy,handemy ny hery rehetra,
Hatramin'ny hery izay sahy dia sahy.
Ô! vovo-masiaka sy mahery setra,
Manditsoka hatrany amin'ny ati-fanahy
Nosoratan'i Jean Joseph Rabearivelo
Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.