Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy

Tanala very sampy - Jean Joseph Rabearivelo

Raha sendra misoka ny volana ambony;
Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony,
Ankaratra misento, ka tsy mba mitony,
Andringitra no ho avy hanony ny fony.

Irony domoina raha toa saraka ala,
Indrisy! misento. Indrisy! fa adala?
Manembona hono, fa lavi-malala -
Hanova no sisa, fa sampin-tanala.

Avia, ry vorona! Avia mba mikalo!
Alaotra nilaozana, tomany mpandalo;
Very tsiriry ka indrisy, mimalo? -
Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo.

Ory manjavona- Ankaratra izany?
Onena misento- Ankaratra ihany
Ny tsy anilan-tiana no tena tomany,
Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany.

Ora-midona no mety hampahatsiahy,
Ozom-pitia mijoro hampanahy;
Toa aloka sisa, fa very fanahy? -
Tanala very sampy aho, ry lahy.

Samborina ve ny domohin'ny tena,
Samborina ho an-kafa, hanorisorena?
Indrisy! misento. Indrisy! mivena;
Izaho manan-kambo tsy resy resena.

Efa nisinda ilay kinta-nirina,
Efa niova fangirifiriana;
Orosan-tsy satry ny sento iniana?
Ovao ny famindra, ka 'ndeha miova tiana.

Nosoratan'i Jean Joseph Rabearivelo

Ahoana no hatao raha hividy iboky ?

Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.

Tora-pon'ny Mpanoratra

“Mba tena faniriako ny hamelona indray ao am-pon'ny Malagasy tsirairay ny fitiavana mamaky boky malagasy. Maro ireo sangan'asa fahiny sy ankehitriny no tena avo lenta ary tsy mena-mitaha. Ankasitrahana ny fisian'ny iBoky Malagasy hamelona indray izany fitiavana izany eo amin'ny Malagasy manerantany.“

- Tsaratiana -
2022-07-23 11:51:43

“Ny iBoky Malagasy dia sehatra iray afaka manampy ny mponina sy ny firenena malagasy amin'ny fampiroboroboana ny tenim-pirenena. Tombony lehibe ho azy ny fahafahany mampiseho amin'ny sehatra iray ireo karazam-boky malagasy maro misy. “

- Andrianitsiahy -
2022-07-23 07:32:31

Ohabolana sy Hainteny

Aza mandraraka ilo mby an-doha

Ny teny ilo dia avy amin’ny diloilo na menaka, izany hoe diloilo tonga eo amin’ny loha. Ny diloilo dia sokajiana...

Mitsikitsikia

“ Indray andro hono ……
Sendra tafaporitsaka tao anaty hady ity akoholahy anankiray nitady hanina. Indro tsy nampoizina nipoitra avy any anaty tsiloraketaka avy ny Rakary (sakadia) efa noana mafy tokoa tsy nahita izay arapaka nandritra ny andro maromaro. Tsy hitan’ity...”