Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy |
Raha sendra fahoriana,
Na nilaozan'olon-tiana.
Ka tsy misy mampionona,
Dia ilay sakaizako hatonina!
.
Na koa sendra olana goavana,
Nefa tsy mahita tany diavina!
Aza kiviana aloha ny tena,
Fa ndehana ilay sakaizako jerena!
.
Ilay sakaizako mahatoky,
Fa antsoinao hoe BOKY!
Amiko sakaiza no hiantsoko azy,
Mpitondra tsikitsiky, mpitondra vazivazy!
.
Ny BOKY ry sakaiza no tena hoe sakaiza,
Manabe ny tena ary koa mitaiza.
Mitondra fahalalana hampamiratra ny saina,
Ahatonga antsika ahomby amin'ny fiainana!
.
Apinga kely fampiasa rehefa miady,
Arofanina manohana tsy hivarina any an-kady.
Sakaiza tsy mamitaka amin'ny fanomezan-toky.
Izany rehetra izany no andraikitry ny BOKY!
.
Sakaiza tsy manavaka tarehy no tsy mifidy toetra...
Tsy an'olon-tokana fa an'ny rehetra!
Sakaiza tsy mba miavona rehefa misakaiza aminy,
Manampy an-tsitrapo, fa tsy mitaky tambiny.
.
Ho an'ny zaza mba te hamaky teny,
Mila BOKY ho namany izy ireny!
Eny fa na ny tanora na koa ny antitra,
Mila BOKY ianareo raha te andeha lavitra!
Nosoratan'i Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.