Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy |
Raha nahazoazo taona ianao
Ka mandinika ny voaary
Avy hatrany ho tsapanao
Fiovana miharihary
"Dizitaly ny Tontolo"
Izay jerena rehetra rehetra
Niova endrika daholo
Fandrosoana tsisy fetra
Tanan-dehibe sy ambanivolo
"Dizitaly ny Tontolo"
Ireo kojakoja an-davanandro
Nahafahana nikolo
Miendrim-pamataranandro
Nomerika be daholo
"Dizitaly ny Tontolo"
Ireo mpankafy mamaky indray
Tsy rototra rehefa andeha
Fa ao anatin'ny finday
Misy boky maro be
"Dizitaly ny Tontolo"
Raha nahazoazo taona ianao
Misy fotsy izany volo
Hatramin'ny fomba amam-panao
Lasa niova be daholo
Tsaratiana, jolay 2022
Nosoratan'i Tsaratiana, jolay 2022
Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.