Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy |
Nefa na dia ho fialam-boly ihany aza, dia afenina ao anatiny nyhasin’ny teny malagasy. Zaraina ny kanto, omen-danja ny asa soratra; izay mbola mitaiza hatramin’ny androany ny olona rehetra ao anaty fiaraha-monina. Ka ao anatin’ny vakin-teny rehetra, maniry dia maniry izahay raha mba hisy zava-tsoa voatsokan’ny mpamaky tsirairay; fa mahasoa azy izany, mahasoa ny rehetra izany, mahasoa antsika manontolo... Ka ity no masaka hatreto. Manantena ny mbola hisian’ny vokatra vaovao indray amin’ny andro, volana, taona manaraka. Hirariana mba ho samy ho ela velona na ny mpanoratra na ny mpamaky; ary indrindra hirariana toy izany, mba ho ela velona ihany koa ny kanto malagasy.
Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.