Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy |
Anisan'ireo olom-bitsy niavaka sy nisongadina teo amin'ity tontolo misy antsika ity I RADO, na i Georges ANDRIAMANANTENA Georges ANDRIAMANANTENA dia teraka tamin'ny 01 oktobra 1923, tao Ankadivato, Antananarivo. Zanak'i ANDRIAMANANTENA Gaston sy RAZAFINDRAFARA Farany tamin'izy dimy mianadahy mpiray tampo. Nandia voalohany ny varavaran-tsekoly tamin'ny 1929 tao amin'ny Ecole Officielle tao Faravohitra. Ary nitohy tao amin'ny Ecole Ambohijatovo Atsimo sy Paul Minaault taty aoriana. Niditra tamin'ny sehatry ny asa nanomboka tamin'ny 1943 tamina orinasa fiantohana “La Préservatrice” Nampakatra an-dramatoa Edwige RAVOLOLONA ho vadiny tamin'ny 02 desambra 1944 Niteraka enina mianadahy izy ireo, ka ny efatra sisa no velona. Tato aoriana dia niditra teo amin'ny sehatry ny asa fanoratana an-gazety tao amin'ny gazety HEHY izay notantànan'ny zokiny Celestin ANDRIAMANANTENA. Nisafidy ny hiàla tao amin'ny La Préservatrice izy ary nandeha nianatra manokana momba ny asa fanaovana gazety tany Strasbourg ny taona 1960 Ary amperin'asa tanteraka tamin'ny fanaovana gazety hatramin'ny 1966 Niasa tao amin'ny trano famoahana boky protestanta IMARIVOLANITRA hatramin'ny taona 1976.
Tsy mbola misy iboky nosoratan'i Rado eto amin'ny iBoky Malagasy.
Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.