Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy |
Ny teny ilo dia avy amin’ny diloilo na menaka, izany hoe diloilo tonga eo amin’ny loha. Ny diloilo dia sokajiana ho toy ny zavatra tsara, zavatra manana ny lanjany. Raha miteny eto izany hoe aza araraka ny diloilo izay efa tonga eo amin’ny loha, dia toy ny te hiteny hoe aza ariana ny fahasoana efa miditra, aza sakanana ny fahasoavana efa tonga, aza simbaina ny hoavy tsara efa manomboka hita taratra. Ny teny hoe aza mandraraka ilo mby an-doha dia teny entina milaza hoe, aza tohanana ny fahasoavana sy ny zavatra efa miditra na efa tonga eo amin’ny fiainana.
Nosoratan'i Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.